🇲🇬 TAMBAZOTRA IRAISAN’ANTANANARIVO
Misy tsy fahatomombanana ny milina mpihary herinaratra (G2) ao Andekaleka, ka mahatonga fahabangana amin’ny vokatra vatsiana eto amin’ny Tambazotra Iraisan’Antananarivo. Am-perinasa manao ny fanarenana ireo ekipa teknika ary vinavinaina haharitra ora 8 ny asa.
Etsy ankilany, tsikaritra fa nihiba ihany koa ny vokatra azo avy amin’ny herin’ny masoandro, androany: Omaly tamin’ny 12 ora antoandro dia nahazo 30,55 MW raha toa ka -18,63 MW izany androany tamin’ny 12 ora. Omaly tamin’ny 4 ora hariva 6,65 MW raha -6,65MW izany androany.
Noho ireo antony ireo dia hampihatra fahatapahan-jiro mifandimby isika, anio hariva, mandritra ny ora maha be filàna herinaratra, eo anelanelan’ny amin’ny 5 ora sy sasany ka hatramin’ny 8 ora sy sasany alina ka haharitra ora iray isaky ny fahatapahana izany.
Ny Orinasa JIRAMA dia maneho ny fialan-tsiny nohon’ny fanelingelenana aterak’izany ary mankasitraka ny mpanjifany amin’ny faharetana.
——————————————————-
🇲🇫 RÉSEAU INTERCONNECTÉ D’ANTANANARIVO
Une anomalie technique est survenue sur le générateur G2 de la centrale hydroélectrique d’Andekaleka. Cette situation entraîne actuellement un déficit de production de l’électricité distribuée sur le Réseau Interconnecté d’Antananarivo (RIA). Les équipes techniques sont déjà mobilisées pour résoudre le problème. La durée estimée des travaux de réparation est de huit (😎 heures.
Par ailleurs, Il est constaté ce jour une baisse significative de la production émanent de nos installations solaires. Les données comparatives se présentent comme suit : À 12h00 : Une production de 30,55 MW hier, contre un déficit de -18,63 MW aujourd’hui. À 16h00 : Une production de 6,65 MW hier, contre une variation négative de -6,65 MW aujourd’hui.
Pour ces raisons, nous procèderons à des coupures d’électricité tournantes, ce soir, durant les heures de pointe, entre 17h30 et 20h30. Chaque coupure durera une heure.
La JIRAMA vous présente ses excuses pour les désagréments occasionnés et vous remercie de votre patience.