
15 Jona 2026

Mahajanga,Faritra Boeny

Fihaonana teo amin’ny Talem-paritry ny Serasera sy ny Talem-paritra misahana ny Fanavaozana Boeny
Nisy ny fihaonana natao mba handrindrana ny fiaraha-miasa amin’ny fanentanana ny olompirenena handray anjara mavitrika amin’ny Fikaonandoham-pirenena iarahana amin’ny FFKM. Nandritra izany no nanamafisan’ny Talem-paritry ny Serasera ny fanohanana amin’ny alalan’ny fanomezana teknisianina hanampy amin’ny fanamboarana spot fanentanana sy ny fandefasana izany amin’ny haino aman-jerim-panjakana RNM sy TVM.

Nifanarahana ny fiaraha-miasa ara-teknika sy ara-pifandraisana amin’ny fanamafisana ny fanentanana sy ny fampahafantarana ny olompirenena.

Hivelatra kokoa ny fanapariahana vaovao momba ny Fikaonandoham-pirenena ka hampitombo ny fandraisan’anjaran’ny vahoaka amin’ny dingana Fanavaozana.