📅 09–12 Jona 2026
📍 Sambava, Faritra SAVA
🆔Nandray anjara mavitrika nandritra ny fakan-kevitra mahakasika ny Politika Nasionaly momba ny Fanatanjahantena (PNS) ny 09 Jona 2026, ny Fakan-kevitry ny Tanora isam-paritra ny 10 sy 11 Jona 2026, ary ny Politika Nasionaly ho an’ny Tanora (PNJ) ny 12 Jona 2026 ny Talem-paritry ny Fanavaozana SAVA.
👉Nandritra izany no nahafahany nitondra fanazavana sy fampahafantarana ireo lohahevitra samihafa mba hanampiana ny tanora haneho sy handrafitra ny heviny mandritra ireo dinika sy fifanakalozan-kevitra.
🫶Tsikaritra nandritra ireo dinika rehetra fa navitrika ny tanora nandray anjara sy naneho hevitra amin-kahalalahana momba ny raharaham-pirenena sy ny fampandrosoana.🇲🇬🇲🇬