🗓️11 Jona 2026
📍 Ihosy, Faritra Ihorombe
🇲🇬 TALEM-PARITRA MISAHANA NY FANAVAOZANA FARITRA IHOROMBE NIATRIKA NY FANOKAFANA NY FAKAN-KEVITRY NY TANORA
🤝 Niatrika ny lanonam-panokafana ny Fakan-kevitry ny Tanora tao Ihosy ny Talem-paritra misahana ny Fanavaozana Faritra Ihorombe. Nanatrika izany ihany koa Andriamatoa Sekretera Jeneralin’ny Faritra Ihorombe, ny Lefitra Voalohan’ny Ben’ny Tanànan’Ihosy ary ireo solontena avy amin’ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay nitarika ny hetsika.
🗣️ Nandritra ny fihaonana dia nisy ny fifanakalozan-kevitra sy fakan-kevitra nahafahan’ireo tanora naneho ny hetahetany, ny olana sedrainy ary ny soso-kevitra entina hanatsarana ny fampandrosoana ny tanora eo amin’ny sehatra samihafa.
✅ Nahafahana nanangona ireo laharam-pahamehana sy tolo-kevitra avy amin’ny tanora izany, mba ho tafiditra ao anatin’ireo politika sy fandaharanasa mikendry ny fampandrosoana ny tanora.
🌱 Manamafy ny fandraisan’anjaran’ny tanora amin’ny raharaham-pirenena, mampiroborobo ny fifampitokisana eo amin’ny fanjakana sy ny tanora ary manampy amin’ny famolavolana vahaolana mifanaraka amin’ny zava-misy eny ifotony ny hetsika.