📅 10 Jona 2026
📍 Kaominina Ampahimanga – Distrika Arivonimamo – Faritra Itasy
🚶‍♂️🇲🇬 MITOHY NY FIDINANA IFOTONY MOMBA NY FIKAONANDOHAM-PIRENENA
Nidina ifotony tao amin’ny Kaominina Ampahimanga ny Talem-paritra misahana ny Fanavaozana Itasy, Ramatoa Ranarivao Sitrakasy ireo mpiara-miasa aminy ho fanentanana sy fampahafantarana ny Fikaonandoham-pirenena izay hotarihin’ny FFKM miainga eny anivon’ny fokontany.
🤝 Nihaona tamin’ireo Sefo Fokontany rehetra mandrafitra ny kaominina ny delegasiona, ka nohazavaina ny tanjon’ny fikaonandoha sy ny anjara toerana lehibe sahanin’izy ireo amin’ny fampandraisana anjara ny olom-pirenena.
📌 Nandritra izany ihany koa no nampahafantarana ireo iraka sy andraikitra hafa sahanin’ny Minisiteran’ny Fanavaozana ankoatra ny Fikaonandoham-pirenena