
Kaominina Ambonivohitra Miarinarivo – Faritra Itasy

09 Jona 2026

FIHAONANA TAMIN’NY SOLONTENAN’NY FFKM MOMBA NY FIKAONANDOHAM-PIRENENA
Nihaona tao Miarinarivo ny solontenan’ny FFKM sy ny Talem-paritra misahana ny Fanavaozana ao Itasy Ramatoa Ranarivao Sitraka sy ny mpiara-miasa aminy. Tanjon’ny dinika ny fanomanana sy ny fizotry ny Fikaonandoham-pirenena.

Nandritra ny fifanakalozana dia nohamafisina fa efa manomboka miroso ny fidinana ifotony sy ny fanentanana eny anivon’ny vahoaka, tanterahin’ny Fitaleavam-paritry ny Fanavaozana, mba hamporisihana ny olom-pirenena handray anjara mavitrika sy haneho ny heviny mandritra ny Fikaonandoham-pirenena.

Notsindriana ihany koa fa eny amin’ny sehatry ny Fokontany no hiaingan’ny fifampidinihana, mba handraisana ny feon’ny vahoaka avy any ifotony ka ho tafiditra ao anatin’ny fanapahan-kevitra ho an’ny fampandrosoana ny firenena.

Momba ny fandaharam-potoana sy ireo antsipiriany mikasika ny fanatanterahana ny fikaonandoha dia mbola andrasana ny toromarika sy ny lamina ofisialy.

Ny fandraisan’anjaran’ny rehetra no antoky ny fahombiazan’ny Fikaonandoham-pirenena sy ny fanamafisana ny demokrasia ifotony.