11 – 12 Jona 2026

BCMM Ivato – Antananarivo

ATRIK’ASA MOMBA NY FANAMAFISANA NY RAFITRA IADIANA AMIN’NY KOLIKOLY

Atrik’asa nokarakarain’ny Organisation Internationale de la Francophonie (OIF) no tanterahina ao amin’ny BCMM Ivato, ka ivondronan’ireo tompon’andraikitra sy mpisehatra samihafa handinika ny fanamafisana ny rafitra iadiana amin’ny kolikoly sy ny fitantanana mangarahara eto Madagasikara.

Tonga nanome voninahitra ny fotoana ny Minisitry ny Fitsarana, Ramatoa Fanirisoa Ernaivo, ny solontenan’ny Minisiteran’ny Fanavaozana, dia ny Tale Misahana ny dina mpitondran-tena sy Tandrohasina , Jerry Édouard, ary ny Tale Misahana ny Fitsirihina Anatiny, Rina Tokiniaina Randriamampita ary ireo solontena avy amin’ny andrimpanjakana maro samihafa sy ireo mpiara- miombon’antoka.

Notsiahivina nandritra ny atrik’asa ny andraikitry ny andrim-panjakana mandrafitra ny Rafitra Iadiana amin’ny Kolikoly (SAC) :

CSI : Mandrindra sy manara-maso ny paikady nasionaly iadiana amin’ny kolikoly.

BIANCO : Misahana ny fisorohana, fanentanana ary fanadihadiana momba ny kolikoly.

SAMIFIN : Miady amin’ny famotsiam-bola sy manara-maso ireo fivezivezen’ny vola mampiahiahy.

PAC : Mitsara ireo raharaha kolikoly sy heloka ara-bola.

ARAI : Miandraikitra ny famerenana amin’ny fanjakana ireo fananana azo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna.