
“Anisan’ireo sehatra laharam-pahamehana ao anatin’ny fanavaozana sy ny fampandrosoana an’i Madagasikara ny fizahantany” hoy ny Mpanolotsaina Avon’ny Fanavaozana, ny Général de Brigade Lucien Rabearimanana raha nandray fitenenana. Tokony hararaotina ny fananana ireo harena voajanahary sy ny fahasamihafana mba hahazoana tombontsoa ara-toekarena sy ara-tsosialy

Ahitana mpandray anjara 476 avy amin’ny sehatra maro samihafa eto an-toerana sy avy any ivelany ny hetsika. “Mariky ny fitokisana an’i Madagasikara izany, ary manaporofo ny fahavononan’ireo mpiara-miombon’antoka, mpandraharaha, mpanao asa tànana ary ny sehatra tsy miankina hampandroso ny sehatra” hoy ny Minisitry ny Fizahantany sy ny Asa Tànana Lucie Vololoniaina

Ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fizahantany ao amin’ny “Union des Comores” , Aboubakar Ben Mahmoud,izay vahiny nasaina manokana kosa dia nanamafy ny ilàna ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ireo mpandraharaha sy ireo kaompaniam-pitaterana mba hampiroboroboana ny fivezivezen’ny mpizahantany sy ny fifanakalozana ara-toekarena eo amin’ny Faritry ny Ranomasimbe Indiana.