🗓️ 10 Jona 2026
📍 HCC Ambohidahy
✅ Tontosa io tolakandro io teny anivon’ny Fitsarana Avo Momba ny Lalàmpanorenana ny fanambaram-pananan’ireo mpikambana maromaro eo anivon’ny Governemanta notarihin’ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta Mamitiana Rajaonarison.
👥 Isan’ireo nahatanteraka izany ihany koa ny Minisitra misahana ny Fanavaozana, Me Hanitra Razafimanantsoa.
📃 Voafaritry ny andininy faha-41 anatin’ny Lalàmpanorenana fa adidy tsy maintsy tanterahana ny fanambaram-pananana manoloana ny Fitsarana Avo Momba ny Lalàmpanorenana ho an’ireo Andrim-panjakana voafaritra anatin’ny andininy faha-40 anatin’io lalàna io ihany ka anisan’izany ny Governemanta.
Izany dia hamafisin’ny andininy faha-2 ao amin’ny lalàna laharana faha-2016-020 tamin’ny 22 Aogositra 2016 mahakasika ny ady amin’ny kolikoly.