FIKAONANDOHAN’NY TANORA FARITRA FITOVINANY

📅 05 Jona 2026
📍 Manakara – Faritra Fitovinany
👥 FIKAONANDOHAN’NY TANORA FARITRA FITOVINANY
🤝 Notanterahina ny 05Jona2026 ny Fikaonandoham-paritry ny Tanora teto amin’ny Faritra Fitovinany, izay nahitana ireo solontenan’ny tanora avy amin’ny Kaominina samihafa manerana ny Faritra.
💬 Navitrika ny fandraisan’anjaran’ireo tanora, ary nafana ny adihevitra sy ny fifanakalozan-kevitra nahafahana namolavola sy nandrindra ireo soso-kevitra hoentina mandritra ny Fikaonandoham-pirenena.
📝 Efa voafidy ireo solontenan’ny tanora hitondra ny feon’ny Faritra Fitovinany sy hiaro ireo soso-kevitra nivoaka nandritra ity fikaonandoha ity eny amin’ny sehatra nasionaly.
🎖️ Nanome voninahitra ny fotoana ny Lehiben’ny Faritra, ny Prefet Manakara, ny Talem-paritra Misahana ny Fanavaozana ary ireo Talem-paritra samihafa teto amin’ny Faritra Fitovinany.
🇲🇬 Porofon’ny fahavononan’ny tanora handray anjara amin’ny fampandrosoana sy ny fanavaozana ny firenena izao fikaonandoha izao. ✨💪