
08 Jona 2026

Kaominina Ambanivohitra Fanandrana – Distrika Toamasina II, Faritra Atsinanana

TALEM-PARITRA MISAHANA NY FANAVAOZANA MANOHY NY FANENTANANA MOMBA NY FIKAONANDOHAM-PIRENENA

Nanatanteraka fidinana ifotony tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Fanandrana ny Talem-paritra misahana ny Fanavaozana Faritra Atsinanana, Ramatoa VOIZY Blandine, niaraka tamin’ireo tomponandraiki-panjakana sy mpisehatra eny an-toerana.

Nanatrika izany ireo solontenan’ny Kaominina Ambanivohitra Fanandrana, Amboditandroho, Ampasimadinika, Andranobolaha ary Ambodilazana, niaraka tamin’ireo Sefo Fokontany, Ray aman-dReny ara-panahy, olo-be an-tanàna ary solontenan’ny fokonolona.

Nandritra ny fihaonana dia nanentana ny mponina handray anjara mavitrika amin’ny Fikaonandoham-pirenena ny Talem-paritra, haneho hevitra am-pahalalahana sy am-panajana, ary nampahafantatra ny fizotry ny fikaonandoha sy ireo andry telo iorenany.

Hita taratra ny fahalianan’ny vahoaka satria sambany no misy fifampidinihana mivantana amin’ny mponina eny ifotony momba ny Fikaonandoham-pirenena.

Isaorana ireo tomponandraikitra rehetra sy ny vahoaka nandray anjara tamin’ity hetsika ity.

Mitohy ny fanentanana sy fidinana ifotony, ka ny Kaominina Ambanivohitra Antetezambaro indray no handray izany, miaraka amin’ireo Kaominina Ambodiriana sy Sahambala.