📅 09 Jona 2026
📍 Faritra SAVA
🇲🇬 FIVORIANA FANOMANANA NY FAMOLAVOLANA NY POLITIKA NASIONALY MOMBA NY FANATANJAHANTENA (PNS), NY POLITIKA NASIONALY MOMBA NY TANORA (PNJ) ARY NY FIKAONANDOHAM-PARITRY NY TANORA
🤝 Tonga nanao fitsidihana tao amin’ny Faritra SAVA nanomboka ny 06 Jona 2026 ny delegasionan’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena (MJS) hanatanteraka ny iraka mifandraika amin’ny famolavolana ny Politika Nasionaly momba ny Fanatanjahantena (PNS), ny Politika Nasionaly momba ny Tanora (PNJ), ary ny Fikaonandoham-paritry ny Tanora.
🏢 Nitsidika ny birao misy ny Fitaleavam-paritry ny Minisitera Misahana ny Fanavaozana SAVA ny delegasiona ka nandritra izany no nanaovana fifanankalozan-kevitra sy fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ireo tompon’andraikitra eo an-toerana.Nandritra izany dia nisy ny fivoriana fanomanana sy fandrindrana ireo asa rehetra kasaina hontanterahina;
✨ Tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny fanamafisana ny fandrindrana sy ny fiaraha-miasa mba hiantohana ny fahombiazan’ireo hetsika sy asa voalahatra ao amin’ny Faritra SAVA.Tanjona ny hahazoana politika nasionaly mifototra amin’ny zava-misy eny ifotony sy mifanaraka amin’ny filàn’ny tanora,ny fikaonandoham_pirenena ary ny sehatry ny fanatanjahantena , sady manamafy ny fandraisan’anjaran’ny tanora amin’ny fampandrosoana sy Fanavaozana an’i Madagasikara. 🇲🇬🤝