
09 Jona 2026

Antaninarenina

Nandray ny delegasionina avy amin’ny Ivontoerana Misahana ny Fifidianana sy ny Demokrasia Maharitra aty Afrika (Institut Electoral pour une Démocratie durable en Afrique na EISA) teto amin’ny birao fiasany teto Antaninarenina ny Minisitra Misahana ny Fanavaozana, Maître Hanitra Razafimanantsoa. Izany dia nahita an’i Baidessou Soukolgué, Tale Mpanatanteraka eo anivon’ny EISA, Valdiodio Ndiaye, izay Tale misahana an’i Madagasikara nomban’ny mpiara-miasa aminy sy Andriamatoa Hassan Guyot, Sekretera Faharoa sady Mpiandraikitra ny Fandaharan’asa ao amin’ny Masoivohon’i Soeda any Addis-Abeba.

Anisan’ny voaresaka nandritra ity fihaonana ity ny fizotry ny Fanavaozana ny Repoblika an’i Madagasikara. Nohamafisin’izy ireo ny fahavononany hanohana hatrany ny demokrasia.
Ny Minisitera misahana ny Fanavaozana kosa etsy an-kilany dia naneho hatrany ny fanoloran-tenany hiantoka ny fahaleovantenan’ny fikaonandoham-pirenena ary nanamafy fa misokatra amin’ny fiaraha-miasa amin’ny mpiara-miombon’antoka amin’i Madagasikara.

Marihina fa ankoatra ny fitondrana ny tohana ara-logisitika, ara-kevitra, ara-bola sy ara-tekinika amin’ny fanatanterahana ny fikaonandohan-pirenana, dia miandraikitra ny fanatanterahana ny Fanavaozana (Refondation) sy ny Dinam-pitondran-tena sy tandrohasina (pacte Moral et éthique) ny Minisitera misahana ny Fanavaozana.


Manana anjara andraikitra lehibe ihany koa ny Minisitera amin’ny fametrahana ny paikady hiadiana amin’ny kolikoly.