📍Manakara – Faritra Fitovinany
🗓️ 08 Jona 2026
🇲🇬 FIKAONANDOHAM-PARITRY NY TANORA HO AN’NY FANAVAOZANA
🤝 Notanterahina androany tao Manakara ny Fikaonandoham-paritry ny Tanora tao amin’ny Faritra Fitovinany, niarahana tamin’ireo solontenan’ny tanora avy amin’ireo Kaominina samihafa manerana ny faritra.
👏Nanome voninahitra ny fotoana ny Chef de Région Fitovinany, ny Préfet de Manakara, ny Taleam-paritry misahana ny Fanavaozana Fitovinany ary ireo Taleam-paritra samihafa.
💬 Nisy ny ady hevitra mahakasika ny fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena ary navitrika ny fandraisan’anjaran’ireo tanora tamin’ny fanolorana soso-kevitra sy vina ho an’ny fanavaozana sy ny fampandrosoana an’i Madagasikara.
📑 Hatolotra eny amin’ny Fikaonandoham-pirenena ireo tolo-kevitra voaray, ary efa voafidy ireo solontena hisolo tena ny Faritra Fitovinany amin’izany.
🌱 Dingana iray manan-danja amin’ny fampandraisana anjara ny tanora amin’ny fanorenana sy fanavaozana ny firenena izao fikaonandoha izao. 🇲🇬✨
# Fanavaozana