Miarinarivo – Itasy
🗓️ 03–04 Jona 2026
🇲🇬 FIKAONANDOHAN’NY TANORA HO AN’NY FANAVAOZANA
🤝 Nisokatra androany eto Miarinarivo ny Fikaonandohan’ny Tanora ho an’ny Fanavaozana , mampivondrona ireo solontenan’ny tanora avy amin’ny kaominina manerana ny Faritra Itasy.Fotoana izay notarihan’ny Talem-paritra Misahana ny Fanavaozana Itasy Ranarivao Onitiana Sitraka
💡 Nivoitra nandritra ny fotoana fa ny tanora no hery fototra entina manangana fanavaozana maharitra sy manoratra ny hoavin’i Madagasikara.
✅ Tonga miaraka amin’ireo fehin-kevitra sy soso-kevitra avy eny ifotony ireo tanora, vonona handray anjara amin’ny fanorenana firenena mandroso sy mirindra kokoa.