
Miarinarivo – Faritra Itasy

02 Jona 2026

FAMONDRONANA IREO FIARAHAMONIM-PIRENENA (OSC)
Nivory teto amin’ny Fitaleavam-paritry ny Fanavaozana Itasy ireo OSC miisa 41 avy amin’ny distrika telo, notarihin’ny Talem-paritry Misahana ny Fanavaozana Itasy Ranarivao Onitiana Sitraka. Nifampidinihana ny mampiavaka ny faritra sy ny paikady hanatanterahana ny Fikaonandoham-pirenena eny ifotony, ary nofidiana ihany koa ny solontenan’izy ireo ao amin’ny CRO.

Taorian’izay dia nitsidika ny Préfet tao Miarinarivo izy ireo

Manana anjara toerana lehibe amin’ny fanentanana sy ny fampandraisana anjara ny olom-pirenena eny ifotony ny Fiarahamonim-pirenena.
