
29 May 2026

Distrika Arivonimamo – Faritra Itasy

FAMPAHAFANTARANA MOMBA NY FIKAONAN-DOHAM-PIRENENA

Notanterahina tao Arivonimamo ny fotoam-pampahafantarana sy fanentanana momba ny fizotry ny Fikaonandoham-pirenena, niarahana tamin’ireo tompon’andraikitra eny ifotony.

Nantsoina manokana hanatrika izany ireo sefom-pokontany manerana ny distrika, ary tonga nandray anjara ihany koa ireo Ben’ny Tanàna sy ny solontenany avy amin’ireo kaominina mandrafitra ny Distrika Arivonimamo.

Nanome voninahitra ny fotoana :

Lehiben’ny Faritra Itasy

Lehiben’ny Distrika Arivonimamo

Talem-paritry ny Fanavaozana Itasy sy ny ekipany

Nandritra ny fanazavana dia nampahafantarina ny fizotry ny fakan-kevitra sy ny fandaminana ny Fikaonandoham-pirenena izay hanomboka eny anivon’ny fokontany

Notsindriana manokana fa ny fitarihana ny fakan-kevitra amin’ny ambaratonga rehetra dia tsy hotanterahin’ny olom-boatendry na olom-boafidy, fa hanaraka ny rafitra voafaritra amin’izany.

Nisongadina nandritra ny fifanakalozan-kevitra ny fahavononan’ireo mpandray anjara hifanome tanana amin’ny fampahafantarana sy fanentanana ny olom-pirenena mba handray anjara mavitrika amin’ity dingana lehibe ity.

Manamafy ny finiavana hiara-kiasa amin’ny fanatanterahana ny Fikaonandoham-pirenena ny rehetra, ho fanamafisana ny fandraisan’anjaran’ny olom-pirenena sy ho fanorenana fanavaozana maharitra ho an’ny firenena.