📅 28 May 2026
📍 Distrika Faratsiho,Faritra Vakinakaratra
🤝 Nandritra ny fivoriana isam-bolan’ny Distrika dia nohararaotina ny fotoana hanomezana fanazavana momba ny Fikaonandoham-pirenena (Concertation Nationale).
👥 Nahitana ny fandraisan’anjaran’ireo Ben’ny Tanàna sy sefo Fokontany maro ary notarihin’ireo solontenan’ny Talem-paritra misahana ny Fanavaozana ny fanentanana sy fanazavana.
🗣️ Nisy ny famelabelarana momba ny fizotry ny fikaonandoha, narahin’ny fifanakalozan-kevitra sy fanontaniana isan-karazany.
✅ Nazava kokoa ny andraikitry ny tsirairay amin’ny fanomanana ny fikaonandoha.
Voaomana ireo mpitarika eny ifotony hampiely ny vaovao sy hanentana ny vahoaka.
Nisy ny fahavononana sy firaisan-kevitra hanohy ny dingana eny anivon’ny Kaominina sy Fokontany.
🙏 Fisaorana manokana an-dRamatoa Sefo Distrika sy ny Adjoint Distrika noho ny fanamorana sy fandrindrana nahatonga ny hetsika ho tanteraka am-pilaminana sy nahomby. 🇲??✨