
28 MAY 2026

Kaominina Ambanivohitra Ankatafana – Distrikan’i Mananjary, Faritra Vatovavy

Mitohy ny fanentanana momba ny Fikaonandoha Ifotony sy ny fifampidinihana miaraka amin’ny tanora.
Nifamotoana tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Ankatafana ny Talem-paritry ny Fanavaozana Andriamatoa Fridolin Caleb (DRR) sy ny Talem-paritry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena (DRJS) Vatovavy ny Alakamisy 28 Mey 2026.

Nandritra izany dia:

Nanatanteraka fanentanana mikasika ny Fikaonandoha Ifotony izay tanterahina manerana ny Nosy

Nitarika ny Fikaonandoha ho an’ny Tanora niarahana tamin’ireo tanora avy amin’ny kaominina

Nanangona sy nandray ireo hevitra sy soso-kevitra avy amin’ny mponina sy ny tanora.

Hita taratra fa efa tonga eny ifotony ny fanazavana sy ny fanentanana natao, izay voaporofo tamin’ny fahamaroan’ny vahoaka tonga nanatrika sy ny fandraisan’anjaran’ireo tanora tamin’ny fifanakalozan-kevitra.

Hitohy any amin’ireo Distrika sy kaominina hafa ao amin’ny Faritra Vatovavy ny hetsika, araka ny fanapahan-kevitra horaisin’ny Komity Mpanomana.

Ny fandraisan’anjaran’ny olom-pirenena sy ny tanora no antoky ny fahombiazan’ny Fikaonandoha Ifotony sy ny fanavaozana maharitra.
