🗓️ 29 MAY 2026
📍Fénérive-Est – Faritra Analanjirofo
🏛️ FANATREHANA NY ANDRON’NY FITANTANAM-PANJAKANA IFOTONY (JOURNÉE DE L’ADMINISTRATION TERRITORIALE)
Nandray anjara tamin’ny fankalazana ny Andron’ny Fitantanam-panjakana Ifotony, nokarakarain’ny Préfecture de Fénérive-Est, ireo tompon’andraikitra isan’ambaratonga eo anivon’ny Faritra Analanjirofo, ka isan’izany ny :
🔹 Lehiben’ny Faritra Analanjirofo Andriamatoa Tody Arnaud
🔹 Lehiben’ny Distrikan’i Soanierana-Ivongo sy Vavatenina
Ny Talem-paritra misahana ny Fanavaozana Analanjirofo Ramatoa Andrianandraina Aldine
🔹 Tale isam-paritra sy Lehiben’ny Sampandraharaha
🔹 Ben’ny Tanàna miisa 35 ao amin’ ny Faritra Analanjirofo.
📢 Nandritra ity fotoana ity dia nohararaotina ny fampitana hafatra sy fanentanana ireo tompon’andraikitra eny ifotony mba hamporisika ny olom-pirenena handray anjara mavitrika amin’ny fakan-kevitra eny ifotony, ho fanamafisana ny fandraisan’anjaran’ny rehetra amin’ny Fikaonandoham-pirenena
🤝 Fihaonana izay nanamafy ny fiaraha-miasa eo amin’ireo rantsam-pitantanana samihafa ho fampandrosoana ny Faritra sy ny Firenena.