🗓️ 26 May 2026
📍 KAOMININA Ampasimanjeva – Faritra Fitovinany
📢 Miroso hatrany amin’ny fanentanana momba ny Fikaonandoham-pirenena ny Talem-paritry misahana ny Fanavaozana ao amin’ny Faritra Fitovinany. Tanjona amin’izany ny hitondrana fanazavana mazava sy hanentanana ny vahoaka rehetra handray anjara mavitrika amin’ny dingana Fanavaozana.
🤝 Nohamafisina nandritra ny fidinana ifotony fa misokatra ho an’ny rehetra ny Fikaonandoham-pirenena ary anjaran’ny tsirairay ny mandray anjara amin’ny fanehoan-kevitra sy fanolorana vahaolana.
🗣️ “Malalaka ny fanehoan-kevitra ary ilaina ny fahasahiana milaza ny marina sy ireo olana mbola manakana ny fampandrosoana eny anivon’ny fokontany sy kaominina,” hoy ny fanentanana natao.
💡 Notsindriana ihany koa fa tsy ampy ny filazana olana fotsiny fa ilaina miaraka amin’izany ny fanolorana vahaolana hahafahana manatsara ny fiainam-bahoaka sy mampandroso ny fiarahamonina.
🚶‍♂️🚶‍♀️ Mitohy hatrany ny fidinana ifotony ataon’ny ekipan’ny Talem-paritry misahana ny Fanavaozana, amin’ny fanomanana sy fanentanana ny vahoaka manoloana ny Fikaonandoham-pirenena.