
23 May 2026

Faritra Fitovinany – Vallée Managnano,Distrika Ambila, Kaominina Ambila

MBOLA ENY IFOTONY MITONDRA NY FANENTANANA

Zava-baovao ho an’ny vahoaka ny Fikaonandoham-pirenena raha ny zava-misy eny ifotony no resahana. “Tsy maintsy hamafisina”, hoy ny Talem-paritra misahana ny Fanavaozana Romario Randriazafy, “ny fanentanana ny rehetra mba tsy ho tampoka ny vahoaka amin’ny fiatrehana izany”.

“Raha ny Fikaonandoham-pirenena no asiana resaka, ny vahoaka samy vahoaka no manao izany fikaonan-doha izany. Noho izany dia entanina ny rehetra”, hoy izy, “mba ho tonga maro rehefa mivoaka ny daty voatondro hanaovana izany, fa andro iray lehibe izy io ahafahana manarina sy mitondra ny vahaolana hanarenana ny fokontany, indrindra ny faritra misy antsika”.

Nitondra fanentanana ho an’ireo tompon’andraikitra rehetra eny ifotony ihany koa ny Talem-paritry ny Fanavaozana. “Enganie mba hanamora sy hifanampy isika rehetra amin’ny fanatanterahana ity Fikaonandoham-pirenena ity”, hoy ny tenany.

Fanavaozana ny firenena mantsy no tanjona ka tsy ho vitan’ny olona tokana izany, fa mila ny fiaraha-mientan’ny rehetra.