zoma 22 May 2026

Faritra Vakinankaratra

Tamin’ny lahateny natao dia nanamafisana fa ao anatin’ny dingana lehibe ho fanavaozana ny firenena i Madagasikara ankehitriny. Nampahatsiahivina ireo tanora sy olom-pirenena rehetra fa tsy ho mpijery fotsiny, fa ho mpandray anjara mavitrika amin’ny fanorenana ny hoavin’ny firenena.

Nohazavaina fa ny Fikaonandoham-pirenena sy ny fakan-kevitra ifotony dia sehatra manan-danja entina mampihaino ny feon’ny vahoaka rehetra, tsy ankanavaka, ka ahafahana mitondra vahaolana iombonana sy maharitra.

Nampirisihina manokana ny tanora handray andraikitra satria izy ireo no fototra sy hery mitondra ny firenena rahampitso. Ny fifampihainoana sy fifanajana no lalana mankany amin’ny firaisankina sy fandrosoana.

“Ny fanavaozana tena izy dia tsy vitan’olona iray, fa asan’ny vahoaka iray manontolo miara-mientana amin’ny fitiavan-tanindrazana sy ny fahavononana hiova.”