
Zoma 22 May 2026

Faritra Vatovavy – Distrikan’i Mananjary – Fokontany Sarina


Fanavaozana tsy vita ambony latabatra fa mila fidinana ifotony sy fifampihainoana amin’ny vahoaka.
Nisy ny fanazavana sy fifanakalozana tamin’ny alalan’ny haino aman-jery ary koa ny fanatonana akaiky ireo mponina eny ifotony, mba hahafantarana mivantana ireo olana sedrain’ny vahoaka isan’andro.

Niarahana tamin’ny Talem-paritra misahana ny Fanavaozana Faritra Vatovavy, Andriamatoa Fridolin Caleb, izany hetsika izany.

Ny fanavaozana marina dia miainga amin’ny fihainoana ny feon’ny olom-pirenena sy ny fiaraha-misaina amin’izy ireo.

Na maro aza ireo sedra sy fanamby lalovana, dia ilaina ny fikirizana sy ny firaisankina mba hahatratrarana ny fampandrosoana maharitra.

Ny fandraisan’anjaran’ny rehetra no antoky ny fahombiazan’ny Fikaonandoham-pirenena sy ny fanavaozana ifotony.