🗓️ Alakamisy 21 may 2026
📍 Tranombokim-pirenena Anosy
Andro faharoa ny dinika fanomanana ho an’ny Fikaonandohampirenena
🔹 Nitohy androany ny andro faharoan’ny atrikasa fanomanana ireo fitaovam-piofanana sy torolalana ho an’ireo Mpanamora ny Fikaonandoham-pirenena.
👥 Nanatrika izany Ramatoa Minisitra misahana ny Fanavaozana, Maître Hanitra Razafimanantsoa, izay nanamafy fa :
▪️ Ny eo anivon’ny FFKM no mitarika ny dinika amin’ny Fikaonandohampirenena
▪️ Ny Ministera no miantoka ny fandrindrana ankapobeny
▪️ Tsy maintsy ho hita ao anatin’ny fizotry ny fikaonandoha ny fampiatiana sy ny fandraisan’anjaran’ny rehetra
🤝 Nankasitrahany ny fiaraha-miasan’ny PNUD sy ireo rehetra mandray anjara amin’ny fanomanana.
📚 Nifantoka tamin’ny fanamafisana ny fahaizan’ireo Mpanamora sy ny fomba hitantanana amim-pahombiazana ny fakan-kevitra ny atrikasa.
💬 “Maro ny sedra, nefa tsy maintsy mandroso miaraka ho tombontsoan’ny firenena.”