21 May 2026
📍 CR Tsaravary –Distrikan’ny Mananjary Faritra Vatovavy
🔹Nidina ifotony tao amin’ny Kaominina Ambanivohitr’i Bevary ary nanentana ny mponina ho fanomanana ny Fikaonandoha manakaiky vahoaka eny anivon’ny Kaominina sy Fokontany ny Talem-paritra misahana ny Fanavaozana Atoa Fridolin Caleb sy ireo mpiara-miasa aminy.
✅ Asa natao : fanazavana ny tanjon’ny Fikaonandoha, fanentanana ny mponina ary fifanakalozan-kevitra tamin’ireo tompon’andraikitra eny ifotony.
📌 Vokatra azo : nitombo ny fahafantaran’ny vahoaka ny anjara toerany ary nohamafisina ny fiaraha-miasa sy ny fandraisana anjara eny ifotony.
🌱 Fiantraikany : fanapahan-kevitra mifototra amin’ny filàn’ny vahoaka sy fanamafisana ny firaisankina ho amin’ny fampandrosoana.
#MCR#Fanavaozana