
15 Mai 2026 – Faritra Vakinankaratra Distrika Faratsiho

Notanterahina tao amin’ny Tranompokonolona Faratsiho ny dingana fanomanana ny “concertation” mialoha ny fakan-kevitra ifotony.

Tonga nanatanteraka izany ny Talem-paritra misahana ny Fanavaozana ao Vakinankaratra, Ramatoa Tantely Rajaonarivony sy ny mpiara-miasa aminy , niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra isan’ambaratonga notarihin’ny Ramatoa Sefo Distrika.

Nifantoka tamin’ny :

fanomanana ny fakan-kevitra ifotony eny anivon’ny Fokontany rehetra aorian’ny 03 Jona ;

fampahafantarana ny olom-pirenena handray anjara sy haneho hevitra an-kahalalahana ;

fanazavana ny andraikitry ny filohan’ny Fokontany amin’ny fanatanterahana izany.

Tanjona ny famolavolana ny Lalàm-panorenana ho amin’ny Repoblika faha-5.

Naneho fahavononana ireo mpandray anjara hampita ny vaovao eny anivon’ny fokontany sy ny fiarahamonina misy azy avy.