🗓️ 15 MAY 2026 –
DISTRIKAN’I VAVATENINA
Faritra Analanjirofo : Nisy ny fidinana ifotony nataon’ny Talem-paritra misahana ny Fanavaozana Analanjirofo Ramatoa Andrianandraina Aldine
🌱 Ny maraina, notanterahina tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Maromitety ny fambolen-kazo ofisialy ho fanombohana ny taom-pambolen-kazo ao amin’ny Distrika, notarihin’Andriamatoa Solombavambahoaka voafidy tao Vavatenina, ny Lehiben’ny Faritra Analanjirofo ary ny Lehiben’ny Distrika.
🤝 Ny tolakandro kosa, nihaona sy nifanakalo hevitra tamin’ireo sokajin’olona samihafa tao amin’ny Kaominina Ambonivohitra Vavatenina. Nandritra izany no nanazavana ny momba ny Fanavaozana sy ny fakan-kevitra ary nanentanana ny rehetra handray anjara mavitrika amin’izany.

🇲🇬 Fandraisana andraikitra iombonana ho an’ny fampandrosoana sy ny hoavin’ny firenena.

#MCR#Fanavaozampirenena
#fikaonandohampirenena
#fifanajana
#fiarahamientana
#fanolorantena