Paikadimpirenena entina miady amin'ny kolikoly na SNLCC 2025-2030: atsahatra ny tsimatimanota

🗓️ 15 May 2026
📍 Lapan’i Mahazoarivo
Paikadimpirenena entina miady amin’ny kolikoly na SNLCC 2025-2030: atsahatra ny tsimatimanota
✅ Tontosa teny amin’ny Primatiora Mahazoarivo ny 15 Mey 2026 ny fivorian’ny Komity Mpitantana (COPIL) momba ny fanamarinana ny Drafitra Fanatanterahana (PMO) ny paikadimpirenena entina miady amin’ny kolikoly na Stratégie Nationale de Lutte Contre la Corruption (SNLCC) 2025-2030.
👥 Notarihin’Andriamatoa Praiminisitra ny fivoriana niarahana tamin’ireo tomponandraikitra ambony mpikambana anaty COPIL avy amin’ny CSI, BIANCO, ARAI, Ministera isan-tsokajiny ary ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny ady amin’ny kolikoly.
Nisolo tena ny Minisitera misahana ny Fanavaozana ny Tale misahana ny Pacte Moral et Éthique Publique, Atoa Jerry Édouard sy ny Tale misahana ny Fitsirihana anatiny, Atoa Rina Randriamampita.
🔎 Teboka lehibe noresahina :
✅ Fampitsaharana ny tsimatimanota amin’ny raharaha kolikoly
✅ Fanamafisana ny fiaraha-miasa sy ny fandrindrana eo amin’ireo rafitra miady amin’ny kolikoly
✅ Fanapariahana ny kolontsain’ny fahitsiana sy ny fahamendrehana
📌 Toromarika sy fanamarihana nataon’Andriamatoa Praiminisitra :
▪️ Hampidirina ao anatin’ny PMO ireo mari-pandrefesana iraisam-pirenena momba ny kolikoly
▪️ Hamafisina ny fanadihadiana ara-bola amin’ireo raharaha kolikoly
▪️ Hatao laharam-pahamehana ireo raharaha misy fiantraikany mivantana amin’ny vahoaka (rano fisotro, herinaratra, fotodrafitrasa, fanabeazana, sns.)
▪️ Hametrahana “Dina miady amin’ny kolikoly” eny ifotony
▪️ Hatsangana ny Tahirim-bola hiadiana amin’ny kolikoly
▪️ Hohamafisina ny fiarovana ireo mpampaneno lakolosy sy mpitory tranga kolikoly
▪️ Hodinihina ny fanamafisana ny fanadihadiana momba ny fitondran-tena amin’ny fanendrena ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Fanjakana
🔴Hotanterahina eny amin’ny Mining Business Center Ivato ny 11 sy 12 Jona 2026 ny Atrikasa hanamafisana ny ady amin’ny kolikoly .