🗓️ 11 MAY 2026
📍 Kaominina Betafo
“Ny kalitaon’ny lisi-pifidianana no fototry ny fifidianana mangarahara sy eken’ny rehetra.”
✅Notanterahina tao amin’ny kaominina an-drenivohitr’i Betafo androany ny fakan-kevitra mahakasika ny fitantanana ny fifidianana sy ny fanavaozana ny andrim-panjakana.
🔴Ny Talem-paritra misahana ny Fanavaozana ao Vakinankaratra, Ramatoa Tantely Rajaonarivony sy ireo mpiara-miasa aminy no nikarakara sy nitarika izany hetsika savaranonando izany, niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra isan’ambaratonga sy ireo sokajin’olona samihafa tao an-toerana.
👥Nahatratra 120 ireo mpandray anjara, izay nozaraina ho vondrona 8, mba hahafahana mandray anjara am-pahalalahana sy manangona hevitra maro samihafa.
🎯Tanjona tamin’ity fakan-kevitra ity ny:
👉fanangonana ny hevitry ny olom-pirenena sy ny mpisehatra samihafa,
👉famantarana ireo olana sedraina amin’ny fitantanana ny fifidianana,
ary fanolorana soso-kevitra hanatsarana indrindra ny lafiny lisi-pifidianana, ny mangarahara ary ny fitokisan’ny vahoaka ny rafitra demokratika.
🗣️Hevitra nisongadina
👉ny fanadiovana sy fanavaozana hentitra ny lisitra
👉ny fanamorana ny fisoratana anarana,
👉ny fampiasana teknolojia nomerika
👉fifandraisana mivantana amin’ny « état civil », mba hampihenana ny hosoka
👉ny fanomezana sehatra ny fiarahamonim-pirenena,antoko politika,
ary olom-pirenena, amin’ny fanaraha-maso sy fanamarinana ny lisi-pifidianana.
👉ny fanentanana sy fanabeazana olom-pirenena
📑 Antoky ny fifidianana madio, ara-drariny ary mampitombo ny fitokisan’ny vahoaka amin’ny andrim-panjakana ny fananana lisi-pifidianana madio hoy ireo mponina tany an-toerana.
Loharanom-baovao: DRR Vakinankaratra