π…πˆπ‡π€πŽππ€π'𝐍𝐘 πŒπˆππˆπ’πˆπ“π„π‘π€π'𝐍𝐘 π…π€ππ€π•π€πŽπ™π€ππ€ π’π˜ 𝐍𝐘 πƒπ„π‹π„π†π€π’πˆπŽππ€π'𝐍𝐘 𝐒𝐀𝐃𝐂 : 𝐧𝐒𝐟𝐚𝐧𝐭𝐨𝐀𝐚 𝐭𝐚𝐦𝐒𝐧'𝐧𝐲 π­πžπ­π’π›π¨π₯𝐚 𝐞𝐧𝐭𝐒-𝐦𝐒𝐚𝐭𝐫𝐒𝐀𝐚 𝐧𝐲 𝐩𝐫𝐨𝐠𝐫𝐚𝐦𝐚𝐧'𝐚𝐬𝐚𝐧'𝐧𝐲 π…πšπ§πšπ―πšπ¨π³πšπ§πš.

πŸ—“οΈ8 May 2026
πŸ“Antaninarenina
π…πˆπ‡π€πŽππ€π’𝐍𝐘 πŒπˆππˆπ’πˆπ“π„π‘π€π’𝐍𝐘 π…π€ππ€π•π€πŽπ™π€ππ€ π’π˜ 𝐍𝐘 πƒπ„π‹π„π†π€π’πˆπŽππ€π’𝐍𝐘 𝐒𝐀𝐃𝐂 : 𝐧𝐒𝐟𝐚𝐧𝐭𝐨𝐀𝐚 𝐭𝐚𝐦𝐒𝐧’𝐧𝐲 π­πžπ­π’π›π¨π₯𝐚 𝐞𝐧𝐭𝐒-𝐦𝐒𝐚𝐭𝐫𝐒𝐀𝐚 𝐧𝐲 𝐩𝐫𝐨𝐠𝐫𝐚𝐦𝐚𝐧’𝐚𝐬𝐚𝐧’𝐧𝐲 π…πšπ§πšπ―πšπ¨π³πšπ§πš.
πŸ”΄Taorian’ny fihaonana tamin’ny Praiminisitra sy ny filohan’ny Fanavaozana omaly, nitohy tamin’ny fiaraha-midinika tamin’ny Minisitra misahana ny Fanavaozana Me Hanitra Razafimanantsoa sy ireo mpiara-miasa aminy, ny dian’ireo delegasionan’ny SADC notarihin’Atoa Joey Bimha.
πŸ’²Anisan’ny hevi-dehibe nisongadina tamin’ity fihaonana ity ny fangatahan’ny SADC ireo tetibola ilaina hanatanterahana ny Programan’asan’ny Fanavaozana ahafahan’izy ireo mitondra izany eo amin’ny Fivoriamben’ny Filoham-panjakana sy hanapahana izay anjara birikin’izy ireo na ara-bola, na ara-pitaovana, na ara-teknika.
🟒Nanambara moa ny minisitra Hanitra Razafimanantsoa fa hanao izay faraheriny ny Governemantan’ny Fanavaozana hamatsy ara-bola ny asa amin’ny alalan’ny tetibola anatiny. Mizara roa lehibe mantsy ny iraky ny governemantan’ny Fanavaozana ka ankoatr’ireo filΓ na maika ho an’ny vahoaka dia anisan’ny lehibe indrindra ny Fandaharan’asan’ny fanavaozana sy ny Fikaonandoha.
🀝Misokatra kosa anefa i Madagasikara amin’izay tohana sy fanampiana rehetra tahaka izay efa ataon’ny rafitry ny Firenena Mikambana sy ny PNUD ohatra. Eo ihany koa ireo fanoloran-tena efa nataon’ireo mpiaramiombon’antoka taorian’ny fivoriana niarahana tamin’izy ireo tamin’ny 10 aprily lasa teo.
πŸ”΄Voahaja tsara ny tetiandro hatreto hoy ihany ny fanazavan’ny Me Hanitra Razafimanantsoa,Minisitra misahana ny Fanavaozana: anatin’ny fanofanana ny mpampiofana, ny fametrahana ny paikady enti-miatrika ny fikaonandoha.
🎯 Tanjona ny:
πŸ‘‰hamitana ny fikaonandoham-pirenena amin’ny farany taona 2026
πŸ‘‰ hananana LalΓ mpanorenan’ny Repoblika faha-V sy filoham-pirenena voafidy ara-demokratika, eken’ny rehetra amin’ny taona 2027
‼️ Fomba mampiaty no entina manatanteraka ny Fikaonandoha amin’ireo dingana rehetra manomboka eny ifotony,mandalo amin’ny kaominina, ny distrika, ny faritra ary eo amin’ny sehatra nasionaly. Hitarika sy handray anjara ny ankolafy rehetra.
πŸ«‚ Anaty fitoniana no hanatanterahana ny fikaonandoha ka hisy ny fifampidinihana manokana ho an’ireo antoko politika mialoha ny hanatanterahana ny fikaonandoha momba ny fitantanana fifidianana.
πŸ“‘Teboka nifampiresahana tamin’ity fihaonana ity ihany koa ny lohahevitra horesahana mandritra ny fikaonandoha.