Andro faharoa ho an'ny fizarana traikefa hiatrehana ny fikaonandoha

🗓️6 may 2026
📍Ambohidratrimo
Andro faharoa ho an’ny fizarana traikefa hiatrehana ny fikaonandoha
🟢Tsy ho tampohana ny olom-pirenena izay antsoina handray anjara feno amin’ny fikaonandoha eny ifotony ka entanina dieny izao ny rehetra hiomana sy ho vonona hitondra hevitra sy hiady hevitra amin’izany hoy Ramatoa Minisitra misahana ny Fanavaozana, maître Hanitra Razafimanantsoa.
🔴Hanomboka tsy ho ela ny fikaonandoha eny ifotony. Ka ny Minisiteran’ny Atitany sy Fitsinjaram-pahefana izay manana fahefana hiantso fivoriana eny amin’ny fokontany no hiara-hiasa amin’ny Minisitera misahana ny Fanavaozana MCR amin’ny fikarakarana izany.
👥Hiantohan’ny MCR ny fandraisan’ny rehetra anjara ary mitohy hatrany ny asa fanomanana. Mety hisy fanemorana kely ny fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny fizotran’ireo fikaonandoha. Fa ny asa kosa dia mandroso hatrany.
📑Ka ao anatin’ny dingana fanomanana ireo fikaonandoha izay voafaritra ao anatin’ny fanatantetahana ny programan’asan’ny Fanavaozana dia hisy ny fampiofanana dingana faharoa ny 20 hatramin’ny 22 may 2026. Mandritra io fotoana io dia efa hitombo sahady ny mpandray anjara ary hidirana lalindalina kokoa ny andraikitry ny mpitarika sy ny mpikarakara, ny fomba fiasa sy torolàlana ary ny takelaka nomerika izay entina mampiakatra ny angon-kevitra sy ny teny ierana avy amin’ny fikaonandoha eny amin’ny fokontany miakatra amin’ny kaominina sy ny distrika ary mipaka eny amin’ny faritra
🟢Nifarana androany ny fizarana traik’efa teny Ambohidratrimo izay dingana voalohany ihany ao anatin’ny fanofanana ireo mpanofana. Nandray anjara tamin’izany ny tompon’andraikitra eo anivon’ny MCR na avy eto amin’ny foibe na ny avy any amin’ny faritra. Voasolo tena ihany koa ny tanora, ny fikambanam-behivavy, ny firaisamonim-pirenena.
🖥️🎥🎙️Nampahafantarina ny mpandray anjara ihany koa androany ny paikady mazava entina hanamafisana ny lafiny serasera sy ireo takelaka nomerika entina mananteraka ny fikaonandoha eny ifotony, andraisana sy ampitana ireo hevitra voaangona.
#mcr#fikaonandohampirenena#Fanavaozana
#fifanajana#FiarahaMientana#Finiavana