๐๐‘๐€๐ˆ๐Œ๐ˆ๐๐ˆ๐’๐ˆ๐“๐‘๐€ : ๐๐€๐๐€๐“๐‘๐ˆ๐Š๐€ ๐๐˜ ๐…๐€๐๐Ž๐Š๐€๐…๐€๐๐€ ๐๐˜ ๐…๐ˆ๐•๐Ž๐‘๐ˆ๐€๐๐€ ๐€๐‘๐€-๐๐Ž๐“๐Ž๐€๐๐€ ๐•๐Ž๐€๐‹๐Ž๐‡๐€๐'๐๐˜ ๐€๐๐“๐„๐๐ˆ๐Œ๐ˆ๐„๐‘๐€๐Œ๐๐ˆ๐‘๐„๐๐„๐๐€

๐‘ณ๐’‚๐’‘๐’‚๐’’๐’Š ๐‘ด๐’‚๐’‰๐’‚๐’›๐’๐’‚๐’“๐’Š๐’—๐’
[๐‘ญ๐’‚๐’‰๐’‚-5 ๐’Ž๐’†๐’š 2026]
Tonga nanome voninahitra ny lanonam-panokafana ny fivoriana ara-potoana voalohan’ny Antenimierampirenena amin’ity taona 2026 ity, ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, Rajaonarison Mamitiana sy ny mpikambana ao amin’ny Governemanta, androany maraina, teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza.
Nisy ireo lohahevitra nasongadin’ny Filohan’ny Antenimierampirenena, Randrianasoloniaiko Siteny , nandritra ny lahateniny, izay iandrasana vahaolana avy amin’ny fitondrana mpanatanteraka. Anisan’izany ny paikady haroson’ny Fanjakana hiatrehana ny hain-tany any Atsimo, ny mahakasika ny fanenjehana ireo tomponandraikitra tamin’ny fangalaram-bolam-bahoaka ary ny momba ny vidin-tsolika eto Madagasikara, manoloana ny krizy any Moyen Orient.
Nanterin’ny Filohan’ny Antenimierampirenena koa fa tsy maintsy ho tafiditra ao anatin’ny tetiandro ny fandinihana ny lalร na mikasika ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana tena izy. Nambarany fa anisan’ny antoky ny fampandrosoana izany, amin’ny alalan’ny fanomezana andraikitra bebe kokoa ireo vondrom-paritra itsinjaram-pahefana.
๐—ก๐˜† ๐—ฆ๐—ฒ๐—ฟ๐—ฎ๐˜€๐—ฒ๐—ฟ๐—ฎ