Angovo azo havaozina : Ho ampitomboina ny famokarana herinaratra azo avy amin’ny masoandro

30 Aprily 2026
Ivandry
☀️🔋💡🇲🇬 Angovo azo havaozina : Ho ampitomboina ny famokarana herinaratra azo avy amin’ny masoandro
✅Notanterahina androany teny Ivandry ny fihaonana mikasika ny “Vahaolana angovo azo avy amin’ny masoandro ho an’i Madagasikara » nokarakarain’ny Minisiteran’ny Angovo sy Akoran’afo. Anisan’ny nanatrika io fotoana io ny Minisitra misahana ny Fanavaozana,Me Hanitra Razafimanantsoa.
☀️2800 ora isan-taona no isitrahan’i Madagasikara masoandro ka azo heverina ny hahatongavantsika amin’ny fahaleovantena ara-angovo maharitra raha voatrandraka izany,
⭕️ Izay indrindra no antony niantsoana ny mpampiasa vola tsy miankina amin’ny fanjakana sy ireo mpamatsy vola hiara-hiasa amin’ny fitondram-panjakana mba hanafaingana ny fametrahana toby mpamokatra angovo azo avy amin’ny masoandro nandritry ity fihaonana ity.
🗣️Hoy ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoran’afo, Radonirina Lucas Rabearimanga: hamoraina ny pitsopitson-dalàna,hiantohana ny mangarahara ary apetraka ny fifampitokisana sy fifampiresahanamadio.
📝 Heverina fa hiafara amin’ny fanaovana Sonia fiaraha-miasa avy hatrany ity fihaonana ity satria tsy tokony hiandry ela intsony ny « famadihana ho vahaolana azo tsapain-tanana ny fananana ny fiposahan’ny masoandro ora maro » hoy kosa ny Minisitry ny Toe-karena sy Fitantanam-bola, Dr Herinjatovo Aimé Ramiarison.
🟢Ny Banky Iraisam-pirenena dia nanamafy ny fanohanany an’i Madagasikara mba hananany angovo azo antoka, maharitra ary takatry ny fahefa-mividy satria ny tsy fisian’izay no efa nitarika ny mponina hitroatra. Ny tanjona hoy izy dia ny hananan’ny 80% malagasy herinaratra amin’ny 2030.
🔴Nataon’ny fitondrana ankehitriny ho laharam-pahamehana ny sehatry ny Angovo satria miantoka ny fandrosoan’ ny firenena, hamerenana amin’ny laoniny ny toekarena entina indrindra hanatsarana ny fiainan’ny tokantrano tsirairay.
#mcr#Fanavaozana
#fifanajana#FiarahaMientana#Finiavana