Hanohana ny fanatanterahana ny dingan’ny Fanavaozana ihany koa ny Koreana Tatsimo

🗓️29 Aprily 2026
📍Antaninarenina
🇰🇷🇲🇬Hanohana ny fanatanterahana ny dingan’ny Fanavaozana ihany koa ny Koreana Tatsimo
✅Nihaona tamin’ny Minisitra misahana ny Fanavaozana, Me Hanitra Razafimanantsoa, tao amin’ny birao fiasany tetsy Antaninarenina, ny Ambasadaoron’i Korea, Ramatoa Ji HUYN PARK.
👉 Niompana indrindra tamin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa izay hivelatra amin’ny fanohanana ny fanatanterahana ny dingan’ny Fanavaozana ny fifanakalozana teo amin’ny roa tonta. Efa miara-miasa kosa ny firenena tonta eo amin’ny sehatry ny angovo, harena an-kibon’ny tany, ny kolontsaina ary ny fanofanana arak’asa.
👉 Tao anatin’ny fifanakalozana dia nanazava amin’ny antsipirian’ ireo dingana samihafa amin’ny fanatanterahana ny fanavaozana Ramatoa Minisitra Hanitra Razafimanantsoa. Natsidiny tamin’izany ny fanomezana fiofanana tohivakana ho an’ireo mpampiofana, ny fanatanterahana ny Fikaonandoha isan-tsehatra,ny fanavaozana ny fitantanana ara-pifidianana, ny fanavaozana ny rafi-panjakana ary koa ny fampiharana ireo hevitra voaangona sy tapaka mandritry ny fikaonandoha ho an’ny tanora
👉 Ankoatra ny dinika momba ny zotran’ny fanavaozana dia noresahin-dRamatoa Ambasadaoro ny maha zava- dehibe ny hametrahana tontolon’ny fandraharahana mahaliana sy manintona ny mpampiasa vola. Ao anatin’izany ny fanamafisana ny ady amin’ny kolikoly, fanavaozana ny lafin’ny hetra ary fanafainganana ny fitantanandraharam-panjakana.
🎯 Tanjona ao anatin’izany ny hanomezana asa maro indrindra ho an’ny tanora. « Anisan’ny vokatra andrasana amin’izao fanatanterahana ny Fanavaozana izao indrindra izany » hoy Ramatoa minisitra Hanitra Razafimanantsoa.
#mcr#Fanavaozana
#fifanajana#FiarahaMientana#Finiavana