
Ao anatin’ny fanomanana ny fikaonandoham-pirenena sy ny fanatanterahana ny programan’asan’ny Fanavaozana, dia nitarika dinik’asa teny amin’ny lapan’i Mahazoarivo androany ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta Mamitiana Rajaonarison . Nanatrika io fotoana io ny Minisitry ny Atitany sy Fitsinjaram-pahefana Atoa Hanitra Velonjara Tiaray Rakotonandrasana, ny Minisitra misahana ny Fanavaozana Me Hanitra Razafimanantsoa sy ireo mpiara-miasa akaiky aminy, ny Sekretera jeneralin’ny Minisiteran’ny fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra sy ny fifandraisan-davitra, ny solontena avy amin’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola.