
ANTANIFOTSY

23 Aprily 2026

Ho fanomanana ny fakan-kevitra isam-pokontany dia nidina ifotony tao amin’ny distrikan’Antanifotsy ny Talem-paritra misahana ny Fanavaozana ao Vakinankaratra, Ramatoa Tantely Rajaonarivony. Nifampidinika taminy araka izany ny Lehiben’ny distrika, ireo mpitantana fikambanana, ireo mpitaiza tanora ary ny solontenan’ny Ben’ny Tanàna.

Nifantoka tamin’ny fandrindrana sy ny fanomanana ireo dingana rehetra ilaina amin’ny fanatanterahana ny hetsika ny dinika.

Raha ny fandaharam-potoana dia ny Talata 12 Mey 2026 no hanomboka ny fikaonandoha momba ny rafi-pifidianana sy ny fitantanana ny andrim-panjakana.

Tanjona amin’izao fihaonana izao ny hanamafisana ny fandraisan’anjaran’ny rehetra ho amin’ny fomba mampiaty.
#mcr#Fanavaozana#fikaonandohampirenena