🗓️ 23 Aprily 2026
📍 Minisiteran’ny Raharaham-bahiny Anosy
Programa entina manatanteraka ny politika ankapoben’ny Fanjakana ho an’ny Fanavaozana : Vonona hiara-dia amin’i Madagasikara ireo mpiara-miombon’antoka
👥Mankasitraka ny ezaka vitan’ny fitondrana fanavaozana ireo mpiara-miombon’antoka ary nankasitraka manokana ny vokatra efa azo. Asongadin’izy ireo manokana ny maha zava-dehibe ny fampandraisana anjaran’ny tanora. Mbola maro anefa ny ezaka mbola hatao.
✅Kihon-dàlana lehibe no atrehana ankehitriny ho an’ny firenena ary mitovy vina amin’ny governemanta malagasy izy ireo
🤝Vonona araka izany ireo mpiara-miombon’antoka ireo hiara-dia amin’ny firenena malagasy amin’izao fanavaozana izao indrindra anatin’ny fanatanterahana ny fikaonandoha, ny fanavaozana eo amin’ny sehatry ny fifidianana.Andrandraina kosa anefa hoy izy ireo ny vokatra tsapain-tànana.
🔴Na izany aza, manamafy izy ireo fa ilaina ny fametrahana rafitra mazava ho an’ny fanaraha-maso sy ny fandrindrana, mba hiantohana ny firindran’ny asa sy hahazoana vokatra tsara indrindra.
#mcr#Fanavaozana#fikaonandohampirenena
#fifanajana#fiaraha-mientana#finiavana