Nihaona tamin’ny Minisitra misahana ny Fanavaozana, Me Hanitra Razafimanantsoa ny Mpiahy ara-drariny (Médiateur de la République), Profesora Ravaka Andrianaivotseheno.
Nandritra ity fihaonana ity no nanambaran’ny Mpiahy ara-drariny fa handray ny andraikiny izy ireo mandritra ny fikaonandoham-pirenena amin’ny maha-mpiaro ny zon’ny vahoaka azy
Ny fikaonandoha rahateo dia nentina hamoahan’ny vahoaka ny maharary azy sy hitondran’izy ireo vahaolana.
Ny tanjona :
– Mihaino ny olana any amin’ny loharanony.
– Mandray ny fitarainan’ny vahoaka tsy an-kanavaka.