Fikaonandohanam-pirenen’ny tanora: miatrika fanofanana ho an’ny mpampiofana ireo talem-paritry ny tanora sy ny fanatanjahantena sy ireo talem-paritra misahana ny fanavaozana
Fanofanana entina hanomanana ny fikaonandoham-pirenena ho an’ny tanora eny anivon’ny kaominina, distrika sy faritra
Ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena no nitarika ny fanofanana.
Ny Tale jeneraly mpandrindra ny fanavaozana , Atoa Ralevason Hary Tiana eo anivon’ny Minisitera misahana ny Fanavaozana kosa dia nizara ireo fanamby ho an’ny fikaonandoham-pirenena.
Apetraka ihany koa ny paikady entina hampahomby ny fiaraha-miasa eo amin’ireo Minisitera roa tonta.
Mandritra ny fikaonandoha dia malalaka ny fanehoan-kevitra sy ny fitondrana vahaolana ho an’ny olom-pirenena ka inona àry no anjaranao tanora?