
Mahakasika ny lalàmpanorenana dia hisy ny fakan-kevitra amin’ny faritra miisa 10. Hifantoka amin’ny ireto teboka lehibe ireto izany :

Faritra ifampivelomana : famantarana ireo faritra ifampivelomana 23 eto Madagasikara

Fifampitondrana : ahitana ny dina sy ireo rafitra hafa

Soa iombonana : iresahana momba ny ala, farihy, ranomasina, toekarena, sosialy, kolontsaina, sns.

Vina iombonana : vina lavitr’ezaka sy drafi-pihetsiketsehana mifanaraka amin’izany

Mahakasika ny lohahevitra fototra “Tany” (foncier) kosa dia hisy fivoriana nasionaly (Assise nationale) hanangonana olona 130 amin’ity volana aprily ity.

Ny fitantanana ny tany mifantoka amin’ny maha-olona ho an’ny fampandrosoana maharitra sy ho an’ny taranaka mifandimby no hevi-dehibe hivoitra mandritra izany fihaonana izany, ary andrasana soso-kevitra stratejika ho an’ny fitantanana ny fananan-tany. Horesahina manokana ny mahakasika ny :

Fidirana amin’ny tany

Zon’ny tany iombonana

Disadisa sy ady amin’ny tany

Fandrafetana ara-habaka sy fanajariana ny tany