Fikaonandoham-pirenen'ny Tanora: amin'ny faran'ny volana mai no hanambarana ireo hevitra voaangona

🗓️14 aprily 2026
📍CCI Ivato
Fikaonandoham-pirenen’ny Tanora: amin’ny faran’ny volana mai no hanambarana ireo hevitra voaangona
👥Adidintsika no mandray anjara amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Fotoana izao, mila antsika i Madagasikara. Izay no nifampiantsoan’ny Tanora handray andraikitra ho an’ny ho avin’ny firenena. Ka izao fikaonandoha izao dia dingana lehibe iray hahafahan’ny Tanora maneho hevitra fa indrindra mandray andraikitra hampandroso ny firenena.
🟢Tonga nanome voninahitra ny fotoana ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika sy ny Praiminisitra, ny minisitra misahana ny Fanavaozana sy ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena izay nifarimbona tamin’ny fikarakarana izao hetsika izao ary mpikambana vitsivitsy eo anivon’ny governemanta
🎯Misokatra ho an’ny Tanora rehetra na eto an-toerana na any am-pielezana. Tanjona ny hanome sehatra ny tanora rehetra amin’ny fanehoan-kevitra sy hampandraisana anjara mavitrika azy ireo amin’ny fampandrosoana ny firenena
🗣️👤Hisy ny fakankevitra eny anivon’ny faritra sy ny kaominina ka noho izany entanina ny tanora mba ho tonga hanatrika.
‼️Aza avela ny hafa hoy ny fanentanana no handray fanapahan-kevitra amin’ny toeranao.
CERCLE DE REFLEXION DES JEUNES : efa tafatsangana
✍️Nampahafantarina ihany koa ny vovonana hifampidinihina ho an’ny Tanora. Miantefa indrindra amin’ny tanora 14 ka hatramin’ny 35 taona. Natsangana mba hanamafisana ny fifandraisan’ny tanora sy hahafahan’ny tanora maneho hevitra indrindra mahakasika ny fanovana rafitra izay nodradradraina tany an-kianja.
👉Mizara traikefa, manome hevitra sy soso-kevitra hanampy amin’ny famolavolana politika hanavaozana an’i Madagasikara.
👉Ny fikambanan’ny Tanora no mpikambana ao anatin’ity vovonana ity . Ary ny Minisitera misahana ny Fanavaozana kosa no miantoka ny fampandehana
HAITAKY : nilaza ireo maharary azy ny tanora
✅Nahazo sehatra ny tanora ka nanao haitaky mahakasika ireo hitany fa tsy mampandroso sy maharary azy .
👉Anisan’ireny ny fiainan’ny tanora eny ambanivohitra , ny tontolon’ireo manana fahasembanana, ny fitakiana ny hametrahana ny fitsinjaram-pahefana tena izy, ny fampiromboroboana ny kolontsaina, ny fanomezana toerana ny vehivavy, ny fanomezana fiofanana sahaza ny tolotr’asa, ny fametrahana ny fanabeazana ny mahaolo-mendrika eny anivon’ny minisitera , ny hamerenana amin’ny malagasy ny taniny. Takiana ihany koa ny rariny ara-tsosialy sy ara- tontolo iainana.
‼️ Fehiny : mila fanovana hita maso ny tanora.
#mcr#𝐅𝐢𝐤𝐚𝐨𝐧𝐚𝐧𝐝𝐨𝐡𝐚#Fanavaozana
#𝐅𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐣𝐚𝐧𝐚#𝐅𝐢𝐚𝐫𝐚𝐡𝐚_𝐦𝐢𝐞𝐧𝐭𝐚𝐧𝐚#𝐅𝐢𝐧𝐢𝐚𝐯𝐚𝐧𝐚