🗓️14 Aprily 2026
📍CCI Ivato
Lanonana nanombohana tamin’ny fomba ofisialy ny Fikaonandoham-pirenen’ny tanora ho an’ny Fanavaozana
🗣️Hoy ny filohan’ny fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara,Randrianirina Michaël:
👉Tao anatin’ny fananganana ny Governemanta faharoan’ny fitondrana Fanavaozana dia navadika ho minisitera tsotra ny Minisitera misahana ny Fanavaozana raha Minisiteram-panjakana izany teo aloha mba hialan’ny olona misahana ny Fanavaozana eo ambany fifehezan’ ny Filoham-panjakana. Tanjona ny mba hahafahany miasa miaraka amin’ny Governemanta, ary miankina amin’ny Praiminisitra.
👉Nesorina teo ambany fiahian’ny Fiadidiana ny fanavaozana ny Repoblika ihany koa ny « Comité de pilotage ».
🫂 Nampahery sy nandrisika an-Dramatoa Minisitra misahana ny Fanavaozana sy ny mpiara miasa aminy miaraka amin’ny FFKM amin’ny fanatanterahana malaky ny fikaonandoham-pirenena ihany koa ny filoha, « tsara raha manomboka aloha fa tsy tsara raha tara hoy ihany izy ». Ary nomarihiny fa raha azo atao ao anatina 3 na 6 volana ny fikaonandoham-pirenena dia tena zava-dehibe hahafahana miroso any amin’ny fifidianana malaky
👉« Ao anatin’ny fikaonandoham-pirenena no ahafahantsika manova ny zavatra rehetra tiantsika ovaina » hoy ny Filoha Michaël Randrianirina.
👉Mila araraotina ao anatin’izao Fanavaozana izao ny fametrahana rafitra matanjaka, mahatoky, rafitra tena izy. « Raha tsy izao isika no hametraka izany, rahovina indray isika vao hanao izany? Araraoty izao fikaonadoham-pirenen’ny tanora izao fa fototra lehibe ary làlana tokana mahomby hanarenana ny firenena » hoy hatrany ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika.
✅Izay tapaka mandritra ny fikaonandoham-pirenen’ny tanora no entina any amin’ny Fikaonandoham-pirenena ary horaketina anaty antontankevitra « Document National d’Orientation de la Refondation »
#mcr#𝐅𝐢𝐤𝐚𝐨𝐧𝐚𝐧𝐝𝐨𝐡𝐚#Fanavaozana
#𝐅𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐣𝐚𝐧𝐚#𝐅𝐢𝐚𝐫𝐚𝐡𝐚_𝐦𝐢𝐞𝐧𝐭𝐚𝐧𝐚#𝐅𝐢𝐤𝐚𝐨𝐧𝐚𝐧𝐝𝐨𝐡𝐚