🗓️ 13 Aprily 2026
📍 Antenimieram-pirenena Tsimbazaza
Politikam-panjakana ankapobeny ho an’ny Fanavaozana ifotony: Omena lanja lehibe ny fihainoana ny hevitry ny vahoaka Malagasy
✅ Fanatanterahana ny Politikam-panjakana ankapobeny ho an’ny Fanavaozana ifotony sy fampiraisana ny Malagasy. Ireo iraka roa lehibe ireo no nankinina taminy, tamin’ny fanendrana azy hoy ny Praiminisitra, lehiben’ny Governemanta RAJAONARISON Mamitiana Jeannot androany nandritry ny fanolorany ny fandaharanasa ho fanatanterahana ny politikam-panjakana ankapobeny ho an’ny Fanavaozana ifotony.
👉 Fanatanterahana ny tena fanavaozana izay hiainga amin’ny fihainoana ny hevitry ny vahoaka Malagasy amin’ny alalan’ny fikaonandoham-pirenena. Teny hierana avokoa ny zavadrehetra fa tsy hevitry ny Minisitra misahana ny Fanavaozana Me Hanitra Razafimanantsoa hoy ny Praiminisitra.
🎯 Tanjona ny hanaingana ireo vahaolana entina hananganana Madagasikara matanjaka ara-politika, marin-toerana ara- toekarena , milamina sy mandroso ary manome tombony ho an’ny vahoaka Malagasy manontolo ka tsy ho diso anjara fa omena sehatra lehibe ny tanora.
👉 Ireo asa lehibe hafa hanatrarana ny vina:
💧💡 Famerenana amin’ny laoniny ireo filàna fototra ho an’ny vahoaka Malagasy amin’ny andavanandro toy ny fanarenana ny jiro sy ny rano
👮‍♂️ Fametrahana ny fandriampahalemana
🏞️🏘️ Fanomezan-danja ny famokarana sy fotodrafitrasa
🙎‍♂️🙎‍♀️ Famoronana asa ho an’ny tanora
📃 Fametrahana ny fanjakana tsara tantana ary ny fanatsarana ny raharaham-panjakana sy ny demokrasia, vahoaka Malagasy matoky ny mpanao politika
🔺 Fanamafisana ny ady amin’ny kolikoly….
💰 Ny sehatry ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany no heverina hampitombo ny ny vola hiditra anaty kitapom-bolam-panjakana ka hiantraika haingana amin’ny fiainam-bahoaka ny vokatra ny asa izay ho tanterahana.
📈Ny lalàna vaovao mifehy ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany dia mamaritra fa hiakatra hatrany amin’ny 3;6% ny tamberim-bidy hiditra ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana foibe raha toa ka 0,3% izany teo aloha.
📈 Manodidina ny 1,7% kosa ny tamberim-bidy ho an’ilay faritra misy ny fitrandrahana.
‼️ 20 volana no hanatanterahana ireo asa sy hanatrarana ireo vina napetraka.