
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy androany maraina teny Tsimbazaza ny fivoriana tsy ara-potoanan’ny Antemierampirenena izay miompana indrindra amin’ny fanoloran’ Andriamatoa Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, RAJAONARISON Mamitiana Jeannot, ny Politika Ankapoben’ny Fanavaozana (PGR) sy ny Programa entina mampihatra izany ( PMO).

Nanatrika ity lanonam-panokafana ity ihany koa ireo lehiben’ny andrim-panjakana sy ny mpikambana ao amin’ny Governemanta. Anisan’izany ny Minisitra misahana ny Fanavaozana, Maître Hanitra Razafimanantsoa.

Nandritra ity fotoana ity koa no nanolorana tamin’ny fomba ofisialy sy nametrahana ny samboady ho an’ireo solombavambahoaka vaovao nisolo toerana ireo depiote nesorina araka ny didy navoakan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana