๐Ÿ—“๏ธ16 Jolay 2026
๐Ÿ“Anosy
๐—™๐—ฎ๐—บ๐—ฒ๐—ฟ๐—ฒ๐—ป๐—ฒ๐—ป๐—ฎ ๐—ฎ๐—บ๐—ถ๐—ป’๐—ป๐˜† ๐—ณ๐—ฎ๐—ป๐—ท๐—ฎ๐—ธ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—ถ๐—ฟ๐—ฒ๐—ผ ๐—ต๐—ฎ๐—ฟ๐—ฒ๐—ป๐—ฎ ๐—ฎ๐˜‡๐—ผ ๐˜๐—ฎ๐—บ๐—ถ๐—ป’๐—ป๐˜† ๐—ณ๐—ผ๐—บ๐—ฏ๐—ฎ ๐˜๐˜€๐˜† ๐—ฎ๐—ฟ๐—ฎ-๐—ฑ๐—ฎ๐—น๐—ฎฬ€๐—ป๐—ฎ: ๐—ป๐—ผ๐—บ๐—ฒ๐—ป๐—ฎ ๐—ณ๐—ถ๐—ผ๐—ณ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—ถ๐—ฟ๐—ฒ๐—ผ ๐—บ๐—ฝ๐—ถ๐˜€๐—ฒ๐—ต๐—ฎ๐˜๐—ฟ๐—ฎ ๐—ฎ๐—บ๐—ถ๐—ป’๐—ป๐˜† ๐˜€๐—ฒ๐—ฟ๐—ฎ๐˜€๐—ฒ๐—ฟ๐—ฎ ๐˜€๐˜† ๐—ป๐˜† ๐—ณ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐—ผ๐˜ƒ๐—ฎ๐—ป-๐—ด๐—ฎ๐˜‡๐—ฒ๐˜๐˜†
โœ…Notanterahana teny Anosy androany maraina ny atrikasa fampiofanana nokarakarainโ€™ny Agence de Recouvrement des Avoirs Illicites (ARAI) sy ny fikambananโ€™ny Vehivavy Mpanao gazety.
๐ŸŸขIray aminโ€™ireny rafi-panjakana miady aminโ€™ny kolikoly ireny ny ARAI izay misahana ny famerenanana aminโ€™ny fanjakana ireo harena azo taminโ€™ny fomba tsy ara-dalร na izay efa niasa nanomboka ny taona 2022.
๐Ÿ“œTafiditra ao anatinโ€™ny iraka ampanaovina ity rafitra ity ny fampahalalana ny vahoaka ny asa ataony satria mananjo hahafantatra sy handray tamberinandraikitra ny olom-pirenena tsirairay. Ireo mpiantsehatra aminโ€™ny serasera sy ny fanavan-gazety dia manana anjara toerana lehibe ao anatinโ€™izany .
๐Ÿ‘ฅNandray anjara taminโ€™ity fiofanana ity ny Talenโ€™ny Serasera eo anivonโ€™ny Minisitera misahana ny Fanavaozana satria isanโ€™ny andraikitra goavana ho anโ€™ny Minisitera misahana ny Fanavaozana ny ady aminโ€™ny kolikoly.
๐ŸงพRaha ny tarehimarika, mitentina 125 miliara ariary ny totalinโ€™ny vola giazana vonjimaika ho anโ€™ny kaontinโ€™olon-tsotra na orinasa miisa 1200 araka ny nambaranโ€™ny Tale Jeneraly Rado rajhonson androany.Mahatratra 192 kosa ny fiara , 161 ny trano sy tany gejaina vonjimaika ankehitriny. Ny didim-panjakana
๐Ÿ’ฒHatreto dia didim-pitsarana 8 no efa voarainโ€™ny ARAI ka vola mitentina 545 tapitrisa ariary noa verina aminโ€™ny tahirim-bolam-panjakana rehefa vita tanteraka ny antontataratasy hanatanterahana izany.
โš–๏ธNy fitsarana no mamoaka ny didy hahafahana mamerina ny fananana aminโ€™ireo olona ahiahiana na manao ny fanagejana raikitra. Ny vola dia arotsaka aminโ€™ny tahirim-bolam-panjakana. Ny filankevitry ny minisitra kosa no manapaka izay tokony ampiasana ireo fananana hafa araka ny tolo-kevitry ny ARAI.
๐ŸคMiara-miasa akaiky aminโ€™ireo rafi-panjakana miady aminโ€™ny kolikoly toy ny BIANCO sy ny PAC ny ARAI. Sahaniny avokoa ireo heloka mifandraika aminโ€™ny fanodikondinana vola sy fananam-panjakana,kolikoly,famotsiam-bola, famatsiam-bola asa fampihorohoroana.
โœ๏ธManana fifanaraham-piaraha-miasa aminโ€™ny fikambanana rejionaly, na aminโ€™ny firenen-kafa ihany koa i Madagasikara hahafahana mamerina an-tanindrazana ireo fananana azo tamin โ€˜ny fomba tsy ara-dalร na any ivelany.