📅16 Jolay 2026 -Tanambe, Distrikan’Amparafaravola – Faritra Alaotra Mangoro
🧩Notohizana tamin’ny fivoriana an-kalamanjana niarahana tamin’ny vahoaka ny lanonana fametrahana amin’ny fomba ofisialy ny Talem-paritra Misahana ny Fanavaozana tao Alaotra Mangoro. Tamin’io fotoana io no nitondran’ny Minisitra Misahana ny Fanavaozana,Me Hanitra Razafimanantsoa fanazavana sy fanentanana momba ny Fanavaozana sy ny Fikaonandoham-pirenena.
🎙️ Nandritra ny lahateniny dia nanamafy ny Minisitra fa:
« Miankina aminao, miankina amintsika ny Fanavaozana. Raha tsy manomboka amintsika izany dia zava-poana ny ezaka rehetra ataon’ny fitondram-panjakana tarihin’ny Filohan’ny Fanavaozana, ny Kolonely Michaël Randrianirina. »
📝Nasongadiny fa anisan’ny fototry ny Fanavaozana ny famerenana ny fifampitokisana eo amin’ny mpitondra sy ny vahoaka, ary ny fanarenana ny fihavanana, izay soatoavina mampiray sy mampandroso ny firenena.
💥Mikasika ny Fikaonandoham-pirenena, dia nambarany fa efa vita avokoa ny fanomanana ara-teknika, ka ny FFKM no hitarika ny fizotran’izany, raha ny Primatiora kosa no miandraikitra ny lafiny ara-bola.
✍️Nohamafisiny fa tsy maintsy miainga eny ifotony ny Fanavaozana, ka avela haneho ny heviny ny vahoaka mba hahafahan’ny fitondram-panjakana mahafantatra sy mamaha ireo tena olana sedrain’ny olom-pirenena.
🗣️ « Raha te hanova ny fiainantsika isika dia mandray anjara amin’ny Fikaonandoham-pirenena. »
👉Nomarihiny ihany koa fa ampahany amin’ny Fanavaozana ihany ny Fikaonandoham-pirenena, satria maro ireo asa hafa tanterahina ao anatin’izany, toy ny fanavaozana ny raharaham-panjakana, ny fanatsarana ny rafitra ary ny fanamafisana ny fitantanana ny firenena, ho fanorenana Repoblika matanjaka, mangarahara ary akaiky vahoaka.
🌱Anisan’ny tanjona amin’ny fametrahana Talem-paritra toy izao
🔹 Ny fanakaikezan’ny Minisitera misahana ny Fanavaozana ny vahoaka
🔹 Ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fanjakana sy ny olom-pirenena amin’ny fanorenana Repoblika vaovao.
🔹 Ny fanentanana ny fandraisana anjara mavitrika amin’ny Fikaonandoham-pirenena sy ny fanavaozana ny Firenena.🇲🇬🇲🇬🇲🇬
#MCR#Fanavaozana