MCR
Ministère en Charge de la Refondation
MCR
Ministère en Charge de la Refondation
Ny Kaominina Ambanivohitra Behara, Tanandava, Berano Ville ary ny Kaominina Ambonivohitra Amboasary Atsimo no nisantarana ny fanentanana sy fanazavana momba ny Fikaonandoham-pirenena, izay hotarihin’ny FFKM, ka ny Minisitera Misahana ny Fanavaozana no miantoka ny fanohanana ara-teknika sy ny fanomanana ny vahoaka eny ifotony. 
Nohazavain’ny Talem-paritra misahana ny Fanavaozana fa miainga eny amin’ny Fokontany, mandalo amin’ny Kaominina, Distrika ary Faritra, vao tonga amin’ny sehatra nasionaly ny Fikaonandoham-pirenena. Nasongadiny ihany koa fa sehatra misokatra ho an’ny Malagasy rehetra tsy ankanavaka izy io, ahafahan’ny tsirairay maneho ny heviny sy mandray anjara amin’ny fanorenana ny hoavin’ny firenena. 
Nambaran’izy ireo fa vonona handray anjara mavitrika ny vehivavy
, ny tanora
, ary ny sokajin’olona rehetra, mba hitondra ny hevitra sy ny soso-keviny ho fampandrosoana an’i Madagasikara.