πŸ“ 10 Jolay 2026 | Kaominina Ambanivohitra Ambalanjanakomby, Kaominina Beratsimanina, Distrikan’i MaevatanΓ na – Faritra Betsiboka
πŸŽ―π…πšπ¦π©πšπ‘πšπŸπšπ§π­πšπ«πšπ§πš 𝐬𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐞𝐧𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 π¦π¨π¦π›πš 𝐧𝐲 π…π’π€πšπ¨π§πšπ§ππ¨π‘πšπ¦-𝐩𝐒𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚
πŸ‘‰Nidina ifotony ny 10 Jolay 2026 ny Talem-paritra misahana ny Fanavaozana ao Betsiboka Ramaroso Moise sy ireo mpiara-miasa ho fampahafantarana sy fampahatsiahivana ny Fikaonandoham-pirenena , niarahana tamin’ireo tompon’andraiki-panjakana, FFKM, Tangalamena, fikambanana ary tanora, ka nohazavaina ny dingana sy ny anjara andraikitry ny rehetra amin’ny Fanavaozana.
πŸ”Ή Nahatakatra bebe kokoa ny tanjona sy ny fizotry ny Fikaonandoham-pirenena ireo mpandray anjara ary naneho fahavononana handray anjara mavitrika amin’izany.
πŸ”Ή Manamafy ny firaisankina sy ny fandraisan’anjaran’ny vahoaka amin’ny fanorenana Fanjakana matanjaka, mendri-pitokisana ary manaja ny hasin’ny olom-pirenena.πŸ‡²πŸ‡¬πŸ‡²πŸ‡¬πŸ‡²πŸ‡¬
#MCR#Fanavaozana