Fɪʜᴀᴏɴᴀɴᴀ ᴛᴇᴏ ᴀᴍɪɴ’ɴʏ Mɪɴɪsɪᴛʀᴀ ᴍɪsᴀʜᴀɴᴀ ɴʏ Fᴀɴᴀᴠᴀᴏᴢᴀɴᴀ sʏ ɴʏ ɪʀᴀᴋᴀ ᴀᴠʏ ᴀᴍɪɴ’ɴʏ ONU-UA: ᴠᴏɴᴏɴᴀ ʜᴀᴛʀᴀɴʏ ʜᴀɴᴏʜᴀɴᴀ ᴀɴ’ɪ Mᴀᴅᴀɢᴀsɪᴋᴀʀᴀ

🗓️ 14 jolay 2026
📍 Antaninarenina
🟢Nihaona tamin’ny Minisitra misahana ny Fanavaozana, Me Hanitra Razafimanantsoa ny iraka iombonana ahitana solontena manokana avy amin’ny Vaomieran’ny Vondrona Afrikana tarihin’Atoa Idris Farah sy solontena manokan’ny Sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana Atoa Parfait Onanga-Anyanga.
🎯Tanjon’ny fihaonana ny hahafantatra bebe kokoa ny fandroson’ny dingan’ny Fanavaozana ahafahan’izy ireo manohana an’i Madagasikara hatramin’ny fifidianana.
🗣️Nohamafisin’izy ireo ihany koa ny maha-zavadehibe ny fampandraisana anjara ny rehetra toy ny fiarahamonim-pirenena, ny fikambanam-behivavy, ny mpanao politika, ny mpitondra fivavahana mba eken’ny rehetra ny Làlampanorenana hivoaka eo ary tsy hisy fanilihana andraikitra.
🔴Nametraka hatrany ihany koa izy ireo fa ny governemanta malagasy no tompon’andraikitra amin’ny fitantanana ny Fanavaozana fa mpanohana ihany ireo mpiara-miombon’antoka. Ary afaka hanampy ara-bola amin’ny fikarakarana ny fifidianana izy ireo raha sitraky ny Malagasy. Mila atao mazava sy mangarahara kosa anefa ny tetiandro.
👉Zava-dehibe ihany koa ny nitazonan’i Madagasikara ny fifandraisana eo aminy sy ny vondrona rejionaly.
🗣️Nanamafy ny Minisitra misahana ny Fanavaozana,Me Hanitra Razafimanantsoa fa efa vonona tanteraka ny Minisitera amin’ny firosoana amin’ny Fikaonandoham-pirenena. Antontan-kevitra miisa 47 no efa novolavolaina. Ary tantsoroka ara-teknika, ara-pitaovana, ara-bola no hataon’ny Minisitera misahana ny Fanavaozana ho an’ny FFKM.
✅Nohantitranteriny ihany koa fa ny Minisitera no miantoka ny fampandraisana anjara ny rehetra ao anatin’ny Fikaonandoham-pirenena.
🎯Ankoatra ny Fikaonandoham-pirenena dia manana iraka dimy hafa ny Minisitera ka anisan’izany ny fanavaozana ny fitantanana ny fifidianana sy ny andrim-panjakana.
✅Hitohy hatramin’ny 20 jolay ity iraka ity. Ankoatra ireo fikambanana samihafa, ny fiarahamonim-pirenena, dia hihaona amin’ny Filohan’ny Fanavaozana ihany koa izy ireo.
#fifanajana#FiarahaMientana#fanolorantena